CUA-Iscam : Kilasy 44 hianatra teny frantsay maimaim-poana

Natomboka, omaly, tetsy amin’ny sekoly ambaratonga fototra Ankadifotsy II ny tetikasa fisantarana ny fampianarana teny frantsay maimaim-poana, ivelan’ny ora fiana­rana. Natao ho an’ny kilasy fahadimy eny amin’ny EPP eto anivon’ny tanànan’An­tananarivo Renivohitra izany. Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny oniversite tsy mian­kina Iscam. Nosafidiana manokana ny teny frantsay izay taranja fototra ahafahan’ ny ankizy mahomby ihany koa amin’ny taranja hafa. Amin’izao fanombohana izao, EPP 29 no hisitraka izany ahitana kilasy 44. Tanjona ny hahatratra ireo kilasy 102 eny anivon’ny EPP 94 eto Antana­narivo.
Isaky ny alarobia hariva no hanatanterahana ny fampianarana mandritra ny 16 herinandro. Hiara-kisalahy amin’izany ireo mpianatra mpilatsaka an-tsitrapo 85 sy mpampianatra mpitan-tsoroka roa avy ao amin’ny Iscam ary zokiolona 12 avy ao amin’ny Fikambanan’ny zokiolona eto Madagasikara (Fizoma).

Vonjy

Partager sur: