Voahozongozona. Naneho ny tsy fahafaliany ka raikitra ny fanangonan-tsonia eny Tsimbazaza. Nohitrikitrihin’ ny depiote Raholdina Naivo, omaly, fa tsy ara-dalàna ny nanapahan’ny minisitry ny Fitsarana ny karaman’ireo mpirakidraharaha miisa 56 noho ny fitokonana nataon’izy ireo. Notsiahiviny fa tsy notapahina karama izany ireo sendika nitolona niaraka amin’ny depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. “Anisan’ny nitolona teny ny mpirakidraharaha tamin’izany, saingy tsy tapaka izany ny karaman’izy ireo”, hoy izy. Nanteriny fa tokony hovahan’ny minisitra ny olana. Lasa iangonan’ny rihitra ny filoham-pirenena. “Tsy mpiasa an-tranon’ny minisitra ny mpirakidraharaha. Volam-bahoaka no andoavana ny karamany, ny karaman’ ny mpiasam-panjakana sy ny anay depiote ka tsy mendrika atao tahaka izany”, hoy ihany izy.
Tsy fanonganana na fitsipahana…
Tsy vitan’izany fa notakin’ izy ireo koa ny hamerenana amin’ny toerany ny talem-paritry ny mponina ao Vakinankaratra. Noesorina izany ary nosoloina olona akaiky na fianakavian’ny minisitry ny Mponina, araka ny nambarany.
Samy nanaovan’ireo depiote taratasy izany ary efa mandeha ny fanangonan-tsonia halefa any amin’ny praiminisitra. “Tsy sonia fanonganana na fitsipaham-pitokisana io fa fitakiana ny karama’ny mpirakidraharaha sy ny famerenana ny tomponandraikitry ny mponina ao Vakinankaratra”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny efa averimberin’ny depiote Raholdina Naivo matetika ny tsy fahombiazan’ny minisitry ny Mponina sy ny minisitry ny Fitsarana.
Synèse R.