Tsy azo ihodivirana koa ny fiangonana. Anisan’ny nihaona tamin’ny iraky ny Sadc ny eo anivon’ny birao foiben’ny FFKM. Natao teny Ambohimanoro izany, omaly ka voaresaka ny tombana sy ny fanomanana ary ny fikarakarana fifidianana.
Anisan’ny votoatin’ny dinika ny fahitan’ny fiangonana ny fanomanana ny fifidianana sy ny fikarakarana izany ary koa ny hiatrehana ny ho avy, araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FFKM. “Teo koa ny fijerena ny ho fiaraha-miasa eo amin’ ny roa tonta”, hoy izy.
Anisan’ny nanatrika ny fifanakalozan-kevitra amin’ny hiatrehana ny fifidianana, teo amin’ny Ceni sy ny mpisehatra politika tetsy Mahamasina koa ny FFKM, araka ny nambarany hatrany. “Tsy naneho hevitra izahay fa mijanona ho mpanara-maso fotsiny ihany teny an-toerana. Hoentina amin’ireo filoham-piangonana ny tatitra momba izany, ahafahan’izy ireo manapa-kevitra”, hoy ihany ny nambaran’ny loharanom-baovao.
Hetaheta avy eny ifotony
Etsy andaniny, efa maka bahana amin’ny hamoriana ireo zanany koa ny fiangonana efa-tonta ka hampiakarana eto Antananarivo ireo solontena avy amin’ny faritany FFKM, miisa 35. “Anisan’ny hodinihina amin’izany ny fiainana anatin’ny fiangonana sy ny raharaham-pirenena. Fotoana koa io ihainoana ny olana sy ny hetaheta avy any ifotony”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny fanambaran’ny fiangonana tamin’ny komity foibe faha-44 natao tany Ambatondrazaka, ny 24 novambra teo ny momba ny fifidianana ka nanentanana ny rehetra handray anjara amin’ny fanamarinana ny anarana anaty lisi-pifidianana. Handatsa-bato ary koa hanara-maso ny fahamarinan’ny zotram-pifidianana. “Hiara-kiasa amin’izany ny FFKM amin’ny alalan’ny Andrimaso”, hoy ny hafatra.
Fahamarinana, hasin’ny aina, fihavanana…
Hentitra koa ny antso avo ny amin’ny handalana ny rariny sy ny fahamarinana hananganana firenena vanona, lavitry ny fahalovana. “Aoka harovana toy ny anakandriamaso ny fahamarinana, ny hasin’ny aina, ny fihavanana … Ilaina izany mandritra ny fanomanana, ny fiatrehana ary aorian’ ny fifidianana mba hisian’ny filaminana sy hizorana amin’ny fampandrosoana”, hoy ny FFKM.
Nohitsin’izy ireo koa ny hampitsaharana ny fifampihantsiana manoloana izao fahantrana lalina izao. Miraisa saina hikatsahana ny mahasoa ny vahoaka ka aoka hamaly ny antson’ny fiangonana hiaraka hanohy ny ezaka fampihavanana araka ny “Fieken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana -4F”.
Synèse.