Zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasan’ny fanjakana malagasy sahanin’ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid) sy ny minisitera. Anisan’ ny voakasika amin’izany ny fandriampahalemana mialoha, mandritra sy aorian’ny asa atao eny ifotony. Misy ny tetikasa momba ny fiahiana
ara-tsosialy atao any ambanivohitra sy eny amin’ny tanàn-dehibe manerana ny Nosy ka sedra mety hisy mahazo ny mpiasan’ny Fid sy ny mpiray ombon’antoka. « Roa izao ny tranga niseho tany Toamasina sy Fianarantsoa ka izay ny antony hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny zandary sy ny polisim-pirenena », hoy ny tale jeneralin’ny Fid, Andrianantenaina Jaona. Eo ny filaminan’ny toerana hiasana sy ny fisorohana mialoha ny trangana tsy fandriampahalemana ary ny fiarovana ny mpiasa rehetra sy ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy ihany koa. Efa tontosa ny fiarahana tamin’ny zandary ny taona 2021. Natao omaly kosa ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Fid sy ny polisim-pirenena. Aorian’ny fifanarahana, hisy ny fandrindrana ankapobeny ny asa sy fampiofanana momba izay fandaminana izay, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ ny polisim-pirenena, contrôleur général de police Rakotozanany Dany Marius.
Tao anatin’ny fizarana ny tosika fameno ho fanohanana ireo vondron’olona marefo nandritra ny krizy ara-pahasalamana farany teo, efa nisahana ny fandriampahalemana sy ny fandaminana ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ny polisim-pirenena.
Vonjy A.