Manao atrikasa eto Antananarivo, omaly sy anio, ireo telo mpiara-miombo’antoka : Fofifa-Cirad-Oniversite Antananarivo, manao tomban’ezaka amin’izay vita sy valim-pikarohana vaovao haroso ato anatin’ny dimy taona manaraka (2023-2027). Efa 20 taona mahery no miara-miasa ny telo tonta (DPFB)*, ka tonga eo amin’ny dingana famaranana izao, hanaovana tomban’ezaka isaky dimy taona sy hizahana ny valim-pikarohana vaovao.
Miasa hikajiana ny harena voajanahary amin’ny fomba maharitra. “Zava-misy anefa miha potika hatrany ny tontolo iainana, satria ny olona mila mivelona, tsy maintsy mampiasa ny hitany any anaty ala. Mitombo ny doro tanety, fanapahana ny ala, eo koa ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny valanaretina. Misy fiantraikany ratsy amin’ny fomba fihariana izany rehetra izany”, hoy Pr Andrianoelisoa Hanitra, talen’ny fikarohana momba ny ala ao amin’ny Fofifa.
Koa ahoana ny fomba hikajiana ireo harena voajanahary ireo, nefa ny olombelona tsy maintsy hampiasa azy? Nafantoka amin’izay ny fikarohana, mahakasika ny hazo, tontolo any ambanivohitra, vokatra avy any anaty ala. Ny hazo hanaovana arina (saribao), satria isika tsy afaka miala amin’io. Ny Fofifa nitady fomba hanatsarana ny fitrandrahana arina sy nanofana olona ho amin’izany. Tsara ny hazo kininina hanaovana arina manome solofony rehefa tapahina, ary tsara kalitao ny arina vita aminy. Ao koa ny karazan-kazo fanaovana taotrano, zavamaniry fakana lohamenaka, fomba famerenana ny ala, sns.
Tsy ampy ny tetibola ho an’ny fikarohana
Naroson’ny Cirad anefa fa tsy ampy ny tetibola ho an’ny fikarohana, ka voatery mitady famatsiam-bola fanampiny avy any ivelany. Na izany aza, matoky ny fiaraha-miasa ny Cirad handeha lavidavitra kokoa, satria tena betsaka ny asa mbola miandry.
Mbola azo antenaina ve ny eto amintsika ? “Miankina amin’ny tsirairay, raha samy miezaka mibanjina ny fanavotana, hanao ny tandrifiny na dia mampiasa io harena voajanahary io, mety hahita vokatra ihany isika, raha tsy izany mandrora mitsilany ihany isika”, hoy Pr Andrianoelisoa Hanitra.
Ndrina
DPFB* : Dispositif en Partenariat « Forêts et Biodiversité »