Vonona hampitombo ny fanampiany an’i Okraina ny fikambanana lafiny fandriampahalemana ara-tafika, vondron’ny fifanarahana tany avaratry ny Atlantika (Otan). Hanangana indray ny fotodrafitrasa momba ny angovo, izay ravan’ny fanafihana rosiana. Io no tapaka nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo tany Bucarest, ny talata teo. Hiatrehana ny ririnina no nanaovana io tetikasa io. Vanim-potoana entin’i Vladmir Putin, filohan’i Rosia, atao fitaovam-piadiana entina hanoherana ny Okraina. Tsiahivina fa taorian’ny sivy volana mahery naharetan’ny ady, simban’ny daroka baomba rosiana ny fotodrafitrasa momba ny angovo tao Kiev. Nandritra ny fotoana nivorian’ny Otan, nifampiresaka tao Berlin, renivohitr’i Alemaina, ireo minisitry ny Fitsarana ao amin’ny firenena G7 ( Alemaina, Canada, Etazonia, Frantsa, Italia, Japana, ny Royaume-Uni,ary ny Firaisambe eoropeana.) hiresaka ny fanadihadiana iraisana momba ny heloka bevava an’ady ao Okraina. “Tsy tokony ho afa-bela ny heloka bevava amin’ny ady” hafatry ny G7.
Fitia (Mpianatra Asa)