Nihatsara ny fifaninanana tamin’ity taona ity raha oharina amin’ny andiany teo aloha. “Nihena ny mpandray anjara, saingy manomboka mahafehy sy mahay “Slam” ny tanora malagasy raha ny tamin’ity andiany ity”, hoy i Tajero, mpiangaly “Slam”. Mitombo hatrany ny fankafizan’ny Malagasy, indrindra ny tanora ity zavakanto iray ity. Taratra izany nandritra ny famaranana ny “Slam-Media”, ny alarobia 30 novambra 2022, teny amin’ny Institut Français de Madagascar” na IFM Analakely. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “Slam National” andiany faha-13 izany.
Niisa sivy ny nandray anjara tao anatin’ny “Slam-Media” tamin’ity andiany faha-13 ity. Nisy ny “Slam-Media” ho an’ ny tsy afaka nandray anjara tamin’ny fifaninanana nasionaly. Manao horonantsary, ao anatin’ny fotoana voafetra ary mandefa izany any amin’ny mpikarakara. Jerena eo anatrehan’ny mpijery sy mpitsara ary ny mpikarakara ny horonantsarin’ny mpandray anjara. Ny fepetra hitsarana izay mitovy amin’ny an’ny seho mivantana ihany.
Nialoha izany, nisy ny fifanakalozana traikefa teo amin’ ny samy mpifaninana amin’ny Slam nasionaly. Teo ihany koa ny fampiofanana sy fizarana traikefa nataon’i Clotilde de Brito, mpiangaly Slam avy any Frantsa, ho azy ireo. Tanjona amin’izao ny hampiely sy hampivoatra ny “Slam” manerana an’i Madagasikara. Eo ihany koa ny hitondran’ireto mpisolo tena ny faritra niaviny ireto fiovana sy fampandrosona ny Slam any aminy, aorian’izao fifaninanana nasionaly izao.
Hiatrika ny fifaninanana eran-tany hatao ao Paris, izay mandrombaka ity fifaninanana nasionaly ity. Eo ihany koa ny fahazoany tombony amin’ ny fifaneraserana amin’ny mpiangaly “Slam” any ivelany, indrindra ny ao Eoropa.
Lin (Mpianatra asa)