Hiady ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Jet Kintana FC Itasy. Lalao tafiditra amin’ny andro fahatelo ny fifaninam-pirenena taranja baolina kitra eto an-toerana, diviziona voalohany na “OPL”. Fihaonana hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Mahitsy, amin’ny alahady 04 desambra.
Raha hiverenana ny andro faharoa izy ireo, samy nanao ady sahala avokoa i CFFA, izay nanao ady sahala 2 sy 2 tamin’ny Disciple FC Ana-lamanga, ary samy tsisy nitoko kosa ny Jet Kintana Fc sy ny Elgeco Plus. Tsiahivina fa izao vao hiona ny roa-tonta. Izy ireto izay manana mpilalao samy matihanina, isan’izany i Carlos izay, mpilalao an’i Jet Kintana teo aloha ( taom-pilalaovana 2019-2020) ary ao amin’ny CFFA ankehitriny.
Vonona haka ny laharana voalohany ry Berajo, kapiten’i Jet Kintana sy namany, raha toa ka hiezaka itazona izany ry Rakoul, lohalaharan’i CFFA. Marihina fa mitarika ao amin’ity vondrona misy azy ireo ity ny CFFA, izay manana isa 4 mitovy amin’ny Jet Kintana, saingy manantombo amin’ny baolina tafiditra ny ekipan’Andoharanofotsy.
Fitia (Mpianatra Asa)
Toy izao ny programa amin’ny andro fahatelo :
Kaonferansy atsimo :
Ny asabotsy 03 desambra 2022
Kianja Elgeco Plus : 2 h 30: Dato Fc vs Disciples Fc
Ny alahady 04 desambra 2022
Kianja Mahitsy : 2 h 30 : CFFA vs Jet Kintana FC
Kianja Elgeco Plus: 2 h 30: Mama Fc vs Zanakala Fc
Kianja Maitra Kira Toliara : 2 h 30 : 3FB Toliara vs Elgeco Plus
Kaonferansy avaratra :
Ny asabotsy 03 desambra 2022
Kianja Barikadimy Toamasina : 2 h 30 : As Fanalamanga vs Uscafoot Fc
Kianja Mahitsy : 2 h 30 : Cosfa vs Asa Diana
Ny alahady 04 desambra 2022
Kianja Ambohidratrimo : 2 h 30 : Ajesaia Fc vs TFFC
Kianja Barikadimy Toamasina : 2 h 30 : Tia Kitra vs Fosa Juniors Fc