Lalana RN 1Bis : amboarin’ ny Madagascar Oil ny tena ratsy

Nanomboka nivarotra solika menaka mavesatra any amin’ireo orinasa vaventy ny Va­kinankaratra ny Madagascar Oil S.A (Mosa), nanomboka ny volana aogositra 2022 teo. Mba tsy hampiato ny famatsiana ataony, miroso amin’ny fanarenana ny tena ratsy amin’ny lalam-pirenena RN 1Bis ity orinasa ity, mampitohy an’i Tsimororo sy Tsiroanoman­didy amin’izao fotoana firotsahan’ny orana izao.
Ezaka sy vola madiodion’ny orinasa Mosa no hanaovany izao asa vonjy taitra izao, satria mijaly loatra ny mpampiasa ny lalam-pirenena RN 1bis. Anisan’ny tena ratsy ny manomboka eo eo anela­ne­lan’ Ankalalo-Tsiroanomandidy.

Vita amin’ny tapaky ny desambra
Nanomboka ny fiandohan’ ny volana novambra ny fametrahana ny fitaovana vaventy sy ny kojakoja hiasana. Miisa 16 tany am-boalohany ny toerana tena ratsy amin’ny Tsi­miroro-Tsiroanomandidy. Efa narenina ny enina tamin’ireo, toy ny eo Ankalalo-Beravina sy ny Beravina-Iorimbato. Mi­tohy ny asa ary tombanana ho vita hatramin’ny tapak’ity desambra ity.
Marihina fa nahazo fahazoan-dalana mialoha avy amin’ny minisiteran’ny Asa va­venty ny orinasa Madagascar Oil SA. Nisy ny fifanarahana mazava nataon’ny roa tonta. Hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny any an-toerana izao ezaka ataon’ny Mosa izao. Toraka izany koa ny anjara biriky entiny amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo eto Ma­dagasikara.

Hany mamokatra solika
Tsiahivina fa niforona ny taona 2004 ny Madagascar Oil SA. Izy no hany orinasa ma­mokatra solika sy gazy eto Madagasikara. Nanao sonia amin’ny fizarana ny vokatra amin’ny Omnis, misolo tena ny fanjakana malagasy any amin’ny Bloc 3104 any Tsimiroro.

Njaka A.

Partager sur: