Nanaraka dahalo mpangalatr’omby, lavo nandritra ny sakoroka ny zandary iray sy ny olon-tsotra iray tao amin’ny fokontany Mariarano, kaominina Ankirihitra distrikan’Ambatoboeny, afakomaly. Nitondra omby 16 avy any Mahatsinjo, fokontany Anjiakely kaominina Madirivalo ireo dahalo nitam-piadiana. Nanao fidinana ifotony ny zandary raha nahare izany. Tao anatin’ny sakoroka anefa, lavo ny mpanara-dia iray sy ity mpitandro filaminana ity. Nizotra nianatsimo anatin’ny faritr’i Maevantanana ireo dahalo taorian’io. Nanamafy ny fanaovana hazalambo ireo dahalo ireo ny zandary. Nentina hihazo ny biraon’ny zandary ny vantana mangatsiakan’ity namany voafititra ity sy ny basy teny aminy. Efa natolotra ny fokonolona kosa ilay olon-tsotra iray.
Tsiferana R.