Minisitry ny Atitany: “Tsy misy kajikajy politika ny kopia faobe”

Nitondra fanazavana ma­noloana ny feo miely ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, omaly. Nazava ny nambarany, tetsy Mahamasina, afakomaly. “Adihevitra tsy tokony hipetraka ny fampifandraisana ny hetsika kopia faobe sy fanaovana karapanondro amin’ny kajikajy politika. Tsy tokony hirona amin’ny fanelezana vaovao tsy marina sy hevi-diso isika mba tsy hiteraka fikoron­tanan-tsaina amin’ny vahoaka”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy maintsy ireo feno 18 taona ihany no mahazo karapanondro amin’ilay hetsika fitsarana mitety vohitra. “Azo antoka tanteraka izany ka tsy tokony hipetraka ny ahiahy”, hoy izy.

Voaresaka tamin’ny adihevitra ny mety fahitana tanora be vatana nefa tsy feno 18 taona ary homena karapanondro mandritra izany, mba hahafahana mampitombo isa anaty lisi-pifidianana. Notsipihin’ ny minisitra anefa fa tsy maintsy ampy taona ihany no hahazo ny karapanondro. No­tanisainy tamin’izany ny dingana maro arahina, iarahana miasa amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. “Misy ny fanadihadiana ataon’ny mpitsabo sy ny tenin’ny va­volombelona anombanana ny taonan’ny olona iray, mia­­loha ny hamoahana didim-pitsarana sy hanomezana ny karapanondro”, hoy ihany izy.

Fanontana taratasy any amin’ny tsy miankina

Momba ny fanontana ny taratasy ilaina indray, nambarany fa tsy omena ny sehatra tsy miankina ny fanon­tana ny taratasy manana lanja ara-pitsarana. Anisan’ izany ny karapanondro sy ny renin-karatra “Fiche mère”. Iaraha-miasa amin’ny tsy miankina kosa ny fanontana taratasy hafa, toy ny fanamarinam-ponenana… Ilaina man­dritra ny fitsarana mitety vohitra avokoa izany, araka ny nambarany.

Namehezan’ny minisitra izany ny nilazany fa ilain’ny olom-pirenena hatrany ny kopia sy ny karapanondro na mifanojo amin’ny fifidianana izany na tsia. “Miantoka ny fahafahan’ny tsirairay misitraka ny zo maha olom-pirenena azy izany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: