Olynah sy i Fehiziro: solontena malagasy any Kinshasa

Nanomboka ny 29 novambra lasa teo ary hifarana anio ny fihaonamben’ny tovovavy 100 avy amin‘ny firenena afri­kanina ao Kinshasa. Mitondra ny feon’ireo tanora malagasy i Olynah sy i Fehiziro avy ao amin’ny tambajotra fiseraserana U-Report Madagascar. Samy tanora U-reporter izy roa vavy. Mandritra ny hateloana, niady hevitra momba ny tena laharam-pahamehana ho azy ireo ny tanora mpivory (fanabeazana, zon’ny ankizivavy, fampanambadiana ny zatovovavy, herisetra…) sy mijery ny vahaolana mifandraika amin’ny zavatra andrasany amin’ny fiainana. Tan­jon’ny fihaonana ny handri­sika ireo tovovavy hitondra fanovana eo anivon’ny fiarahamonina misy azy avy. Ilaina ny fandresen-dahatra fa zava-dehibe ny fandefasana ny ankizivavy any an-dakilasy sy ny fanomezana azy sehatra ahafahany mifandray mivantana amin’ireo vehivavy ma­nana andraikitra samihafa eo amin’ny firenena.

Nikarakara ny hetsika tany Kinshasa ny Unicef sy ny minisiteran’ny Tanora, ny mi­nisiteran’ny Raharaha sosialy ary ny minisiteran’ny Mira­lenta.

Vonjy A.

Partager sur: