Areti-mifindra mateti-pitranga amin’ny zazakely ny virose, izay azo avy amin’ny otrikaretina madinika antsoina hoe “virus”. Io aretina io no mirongatra ankehitriny, araka ny fanazavan’ny profesora Robinson Annick.
“Miditra eo amin’ ny orona ary manafika ny taovam-pisefoana ny «virus», mahatonga ny aretina virose mamely ireo zaza sy ankizy amin’izao fotoana”, hoy ny profesora Robinson Annick. Mety ho tratran’ny virose avokoa ny zaza rehetra na lahy na vavyy. Mbola marefo ny hery fiarovana satria tsy mbola ampy ny fitaovana enti-miady. Ireo ankizy efa lehibebe kosa dia mahalana ny trangan’aretina satria efa mety vita vaksiny miaro amin’ ny karazana «virus» sasantsasany na mety efa matanjatanjaka ny hery fiarovana.
Voan’ny sery, mikohaka, mafana hoditra, mivalana na mandoa… arakaraka ny «virus». Mety misy pentimpentina menamena ny hoditra, mangidihidy… izay no fisehony. Matetika, tsy misy fahasarotana ny aretina.
Mety ho sempotra kosa anefa ny zaza madinika. Ny aretina vokatry ny bactérie no mahatonga ny tranga fahasoratana, fanintona indraindray. Ny aretina vokatry ny «virus» dia tsy mila hampiasana antibiotika, raha ny fanazavan’ny profesora hatrany.
Mety hisy anefa mikraoba hafa manararaotra toy ny bacteria, io ny mahatonga ny fahasarotana ka mety hanempotra ny zaza ary eo no mampiditra antibiotioka.
Mila atao mafy ny fiarovana mba tsy hahazoan’ny zaza ny «virus». Anisan’izany ny fanaovana arovava orona. Ny ray aman-dreny raha voan’ ny sery dia manao arovava orona rehefa mikarakara zazakely na mampinono na mikarakara ny sakafony sy mamahana azy. Maska madio ny anaovana ary ariana isaky ny adiny telo. Manasa tanana amin’ny savony matetika.
Tokony hovitaina hatramin’ ny farany ny vaksiny ho an’ny zaza. Raha sendra marary ny zaza dia mila manatona dokotera haingana mba tsy hahatonga tranga fahasarotana.
Tatiana A