Voalohan-karena

Efa tena mivadika ny tany! Aiza ka volana novambra anaty fahavaratra no mampirongatra ny aretina gripa mahery miampy ny Covid-19. Mipetraka foana ny fanontaniana isaky ny mahita olona mitangorongorona: fa misy inona ao? Hay moa, toeram-pizahana fahasalamana feno olona milahatra, mitondra marary. Mahonena mahita ireo zazakely mitolona amin’ny aretin-tratra, kanefa mbola miaritra tanikandro mahamay. Mahavalaketraka ny mijery ny olon-dehibe malemy midaboka an-tany, tsy mahazaka tena. Tsy hita hotantaraina ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka tsimandadiharona. Misoritra amin’ny endriky ny tsirairay ny hakiviana sy ny adim-piainana.
Tsy an-jaza ny vidim-panafody. Manampy trotraka ny saram-pizahana izay efa avo telo heny ny vola raisin’ny ankamaroan’ny Malagasy isan’andro. Misafidy ny mpitsabo tsy miankina rahateo ny ankamaroan’ny olona noho ny tolotra. Farafaharatsiny mba voazaha sy voatily araka ny tokony ho izy ny aretina na tsy ampy aza ny hoenti-manana. Mikimpy sy manao ezaka be ny isan-tokantrano amin’ny vola mivoaka hoenti-mitsabo satria lahitokana ny aina. Rafahafatesana rahateo, tsy misangy. Firifiry ny maty tanora sy zaza vao iray ranon’orana no mody any amin’ny “Ray”.
Mampalahelo! marary ny Malagasy, rey olona! Anisan’ny sehatra iray tokony hataon’ny fanjakana vaindohan-draharaha sy hamehana amin’izao fotoana izao ny fampiroboroboana ny toeram-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana. Tsy tokony hatao antsirambina ny famatsiana ny fanafody sy ny fitaovana ho enti-mijery ny sarambabem-bahoaka. Tsy ampy ny filazana fa tratra ny tanjona sy ny fanolorana politikam-pitsaboana mijanona eny ambony latabatra. Asa azo tsapain-tanana no andrasan’ny vahoaka.
Iangaviana amim-panajana ny tomponandraikitry ny fahasalamam-bahoaka mba hamoaka ny mangaraharaha sy ny fepetra raisiny. Tena zava-doza noho ny tamin’ny vanim-potoanan’ny Covid 19 ny zava-misy, ankehitriny. Aiza ireo toby manokana sy famonjena maika ? Vanim-potoana ilana ireny ny tahaka izao. Tsy tokony hohadinoina, sady voalohan-karena ny fahasalaman’ny mponina no antoky ny fampandrosoana ao amin’ny firenena iray.
Sintonina isan’andro, araka izany, ny lakolosy mba hampifoha sy hanaitaitra ny fitondram-panjakana. Efa tsy eran’ny aina ny zava-miseho. Adidin’ny olom-pirenena tsirairay rahateo ny mamaky bantsilana ny tsy mety, mba hitadiavam-bahaolana ho amin’ny tombontsoa iombonana. Saropady ny fahasalamana, ka tsy tokony hatao an-tsirambina!

r.r

Partager sur: