CSI-Pnud: hiadiana ny kolikoly

Nampahafantarina omaly ny SIIGAC*, fitaovana iray eo anivon’ny CSI* hoentina hiadiana amin’ny kolikoly, izay misokatra ho an’ny rehetra. Tamin’ny tomban’ezaka nataony ny CSI nampian’ny Pnud ao anatin’ny tetikasa Madagasi­kara tsara tantana nametraka tambajotra ifanakalozam-baovao, dia ny SIIGAC.
Tanjona ny hisian’ny mangarahara sy tamberin’andraikitra hananana fomba fijery mahitsy hiadiana amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena, ha­nampiana indrindra handraisana fanapahan-kevitra. Ambara ny singa mahomby sy ny tsy mahomby omena hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fanjakana fitantanana ary andraisana anjara amin’ny fomba fanao hiadiana amin’ny kolikoly.
« Apetrakay CSI ny SIIGAC, fitaovana informatika hanangonam-baovao rehetra momba ny kolikoly, mamaly ny rehetra mila mahafantatra ny marina hatraiza ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota eto Madagasikara », hoy ny filohan’ny CSI, Rabenarivo Sahondra.
Manana andraikitra ity Andrim-panjakana ity, araka ny lalàna, hanao tomban’ezaka hanatsarana ny tolokevitra aroso eo anivon’ny fitondram-panjakana, mety ho tolo-dalàna hahatsara ny fitantanana ny vahoaka malagasy.
« Ho an’ny rehetra ny vaovao, fa misy atokana ho an’ny tomponandraikitra, toy ny Bianco, Samifin, Pac, CSI, sy ny fitondram-panjakana hanatsarana ny fitantanana izay tsy misaraka amin’ny ady amin’ny kolikoly. Hisaorana ny Pnud amin’ny fanampiany », hoy ny filohan’ny CSI.

Ndrina

SIIGAC* : Système d’Information Intégré de la Gouvernance et de l’Anti-Corruption (siigac.csi.gov.mg)
CSI* : Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité

Partager sur: