Entan-jaray mora zaka !

Vita soa aman-tsara ny fitokanan’ny ivontoerana mpamatsy herinaratra eny Farahantsana, Mahitsy. Nisento kely ny mponina Antananarivo, nihevitra fa hitombo ny famatsiana ka hihena ny delestazy. Tena efa tafahoatra ary anisan’ny teboka mainty sy loza mitatao eo ambony lohan’ny fitondrana, ankehitriny ny resaka famatsiana andaniny, ary vidin’ny jiro sy rano ankilany. Efa misy tsikelikely ny fanehoan-kery sy fahatezerana ataon’ny mponina amin’ny faritra vitsivitsy eto Madagasikara. Toe-javamisy tsy azo hamaivanina ireny fa ilay erikerika mahatondra-drano. Singam-bola mandavo ny vositra, any anaty fotoana tsy ampoizina.
Zava-dehibe, araka izany, ny fitadiavam-bahaolana, indrindra amin’ny famoronana sy fametrahana fotodrafitrasa vaovao. Mba ahafahan’ny mpitondra, mahasahy manao fanambarana ampahibemaso, tahaka ny nataon’ny Filoham-pirenena, omaly. Hidina ny vidin’ny tolotra sy ny vola aloan’ny mpanjifa, hoy izy. Raha lafin’ny teknika, mazava be izany. Rehefa mihamaro ny vokatra mitobaka eny an-tsena, milatsaka ho azy ny vidiny. Resaka politika, fanatanterahana ny veliranony. Ny indrokely, tsy voafaritra mazava ny fotoana hampiharana izany. Tsy mbola voafaritra mazava koa ny sandan’ny fihenam-bidy. Samy miandry isika mianakavy!
Hiverenana kely ny teny Farahantsana, efa voalaza ombieny ombieny anatin’ny fampitam-baovao isan-karazany fa angady nanana ny tobim-pamokarana vaovao ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina. Inona tokoa no maharatsy an’izany? Iaraha-mahalala, kofona ny fanjakana. Tsy ho ampy mihitsy ny ho enti-manana, mila fifanomezan-tanana. Manana loharanon’angovo isan-karazany rahateo i Madagasikara, toy ny rivotra sy ny masoandro, ary ny rano. Betsaka ny manampahaizana sy mpikaroka eto an-tanindrazana, manana fahavonona hitondra ny anjara birikiny. Indrisy, voa kely tao amin’ny tsy fananam-bola na herijika ho enti-mampivelatra sy hizara ny traikefany.
Anjaran’ny fanjakana sy ny mpitondra no mipetraka ho mpanelanelana sy mpanamora ny fifandraisana eo amin’ny herivelona rehetra, mpitondra vahaolana. Ny entan-jaraina mora zaka, hoy ny fiteny mahazatra antsika Malagasy. Tsy voatery ho an’ny amin’ny governemanta na ny minisitera samy irery ny vahaolana. Kolontsaina mifampizara sy mifampisintona miakatra izay, no ilaina manoloana ny fiainam-bahoaka efa latsaka an-katerena izao. Tsy maintsy mifampitsinjo.

r.r

Partager sur: