Fahasalamana : 10.387 ireo mitondra ny tsimokaretina VIH mihinam-panafody

« Andao hasandratsika ny fitoviana hanafoanana ny VIH/Sida ». Io no lohahevitry ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny VIH/Sida omaly. Toerana maromaro no nanamarihana izany. Anisan’izany ny tetsy amin’ny Parvis Ana­lakely sy teny amin’ny Tour Orange ary ny tetsy Antani­narenina. Na­naovana hetsika maimaim-poana ara-pahasalamana, in­drindra ny fitiliana ny tsimokaretina VIH sy ny aretina hafa no nanamarihana izany.
Raha ny salanisa ny volana jona lasa teo, miisa 10.836 ireo olona voaporofo tamin’ny fitiliana fa mitondra ny tsimkaretina VIH. Mahatratra 10.387 kosa ireo mihinam-panafody ary arahi-maso ny fahasalamany.
Ny VIH dia tsimokaretina mamotika ny hery fiarovana miaro ny tenan’ny olombelona amin’ireo aretina maro samihafa. Mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro ifanaovana amin’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH. (Na lahy sy vavy, na lahy samy lahy).
Mifindra amin’ny fampiasana fitaovana tsy voadio mi­hosin-dra mitondra tsimokaretina VIH toy ny hareza, fifandimbiasana fanjaitra, fifandimbiasana fitaovam-pitsindromana… ihany koa ny tsimokaretina.
Fifindrana avy amin’ny reny mankany amin’ny zaza (fitondrana vohoka, eo am-piterahana, mandritra ny fampinonoana).
Fisorohana voalohany amin’ny fifindran’ny tsimokaretina VIH ny fiarovan-tena. Tokony hatao ihany koa ny fitiliana hamantarana ny olona iray fa mitondra ny tsimokaretina VIH izy na tsia hahafahana miaro.

Tatiana A

Partager sur: