Fanabeazana: mbola ankilabao ny manana fahasembanana

Notanterahina teny Maha­masina ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty, ny talata teo. Lohahevitra no­voizina ny hoe, « Fanabeaza­na mampiaty : mampifandray, manaja ny fahasamihafana, mitondra fahatsarana ».
Mbola miseholany eto amintsika ny fanavakavahana ireo ankizy manana fahasembanana, raha ny fitarainan’ireo fikambanana mpiahy azy ireny. Manaporofo izany indrindra ny tranga niseho sy nalaza tsy nandraisan’ilay se­koly iray ny ankizy varira saika hampidirina ao amin’izy ireo. Eo koa ny fotodrafitrasa any an-tsekoly izay tsy natao ho an’ireo manana fahasembanana ara-batana toy ny tohatra…
Hita taratra eny an-tsekoly ny fanavakavahana eo amin’ny samy mpianatra, eny fa eo amin’ny mpampianatra aza dia mahatsapa ho ankilabao ireo manana fahasembanana.
Maro ny sehatra tsy mbola manome zo mitovy amin’ny olon-drehetra ireo ankizy ma­nana fahasembanana na amin’ny sehatry ny fampianarana izany na amin’ny sehatry ny fahasalamana.
Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ireo ankizy manana fahasembanana mba hampihatra ny lalàna efa neken’i Mada­gasikara mikasika ny fampiharana ny fanabeazana mampiaty. tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana zo mitovy ny olon-drehetra tsy ankanavaka.

Tatiana A

Partager sur: