Tao anatin’ny tapa-bolana, nahatratra 106 ireo voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ireo fisafoana nataony eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miisa sivy kosa ireo jiolahy lavo nandritra ny fifandonana. Tafiditra amin’izany ireo mpanao halatra miaro herisetra mitam-piadiana toy ny basy sy zava-maranitra.
Tsy mitsahatra ny fisafoana na antoandro na alina ataon’ny polisim-pirenena, indrindra eny amin’ireo toerana be mpivezivezy sy maro olona. Ny 14 ka hatramin’ny 30 novambra teo, maro ireo tra-tehaka teny amin’ireo toerana be olona sy elakela-trano eto an-drenivohitra. Ao ireo mpanao vaky trano, sinto-mahery, halatra tsotra. Tsy vitsy koa ireo tratra nangalatra ambodiomby sy ireo izay mikasa hanao asa ratsy. Isan’ireo saron’ny polisy koa ireo mpanao hala-boty sy fivarotana zava-mahadomelina, ary harom-paosy. Manaraka izay, voafaokan’ireo polisy koa ireo olona nanao vono olona iniana atao, ny mpisoloky. Ao koa ireo mamo an-dalambe sy nanao herisetra maro samihafa eny rehetra eny. Araka izany, hihamafy ny fisafoana atao amin’izao ankatoky ny fety izao.
Henintsoa H.