Nanome fanazavana momba ny toe-draharaha ao amin’ny Jirama, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ramaroson Andry, omaly. Nambarany: “Antso tolotrasa ao anatiny no natao. Ho fantatra amin’ny alatsinainy ho avy izao izay ho tale jeneraly vaovao”.
Nomarihin’ny minisitra Ramaroson Andry, tsy misy volam-panjakana niasa ny nananganan’ny orinasa Tozzi Green, ny toby mamokatra herinaratra eny Farahantsana Mahitsy. Misy ny fiaraha-miasa aminy, satria mora, latsaky ny 7 cens, ny vidianan’ny Jirama ny kwh.
Mikasika ny raharaha Jirama, nambarany fa “raha fintinina, zavatra roa loha no zava-misy ao amin’ny Jirama. Voalohany, maromaro ireo tale niatrika fitsarana teny amin’ny Pac, ka misy amin’izy ireo tsy afaka miasa feno (100%) araka ny tokony ho izy ny fony sy ny sain’izy ireo. Faharoa, toraka izany koa ireo izay vao hahazo toerana, tsy mbola afaka tena miasa 100% ny fony sy ny sainy, ao ihany koa ireo tomponandraikitra izay vao handimby ireo nesorina tamin’ny toerany. Sady mbola vao mianatra asa rahateo”. Noho ireo antony ireo no nahatonga ny minisitry ny Angovo niteny ny ao amin’ny filankevi-pitantanana Jirama, hanampy hiahy azy ireo.
Misy mahay ao anatin’ny Jirama
Mikasika ny tale jeneraly manokana, izay tsiahivina fa tratry ny didy fisamborana, nahitsy ny hevitry ny minisitra Ramaroson Andry. “Olana hatramin’izay, ny fisian’ny lafiny politika tao amin’ny Jirama. Nisy ny kiantranoantrano sy ny finamanamanana nahazoana ny toerana. Ankehitriny, nilazako ny mpiara-miasa ao amin’ny Jirama, hanao antso tolotrasa ao anivon’ny orinasa, ao anatin’
ny mangarahara tanteraka. Satria, hita sy fantatra fa maro ireo manana traikefa ao. “Ho vita amin’ity herinandro ity ny fanadihadiana azy ireo tsirairay, koa inoako, fa ho fantatra amin’ny alatsinainy ho avy izao, izay ho tale jeneraly vaovao ny Jirama”.
Tokony ho ampy ny filana 250 MW
Mikasika ny famokarana herinaratra eny Farahantsana, nomarihin’ny minisitra Ramaroson Andry, fa safidy roa no azo atao. Voalohany, mamokatra 28 MW ity toby mandeha amin’ny tohodrano ity, nefa koa io 28MW io no tsy ampy amin’ny 250 MW ny filan’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Koa, safidy iray azo atao, ny manala ny milina mandeha amin’ny solika, izay mamokatra 28 MWn, satria fenoin’ity mandeha amin’ny tohodrano eny farahantsana ity. Safidy faharoa azo atao, tsy esorina ny gropy mandeha amin’ny solika, fa fenoin’ity eny Farahantsana ity, raha ampy tsara ny fikorian’ny rano.
Njaka Andriantefiarinesy