Malagasy Manoratra: hanao ny « Ndao isika hifanolo-tanana » ho an’ny marefo

Tsy eo amin’ny sehatry ny haisoratra ihany no ahafantarana ny fikambanana Malama, fa eo ihany koa ny asa ifarimbonana ifanasoavan’ny mpiara-belona. Mikarakara hetsika “Ndao isika hifanolo-tanana” izy ireo ary manentana ireo izay manana fitafiana, akanjo, kiraro sns … Hatolotra ireo tsy manan-kialofana sy marefo ara-pivelomana, ny 18 desambra izao izany. Tom­ponandraikitra amin’izany ry Sanda Nomena, Fidy art Niaina, Nah Haja, Stephan HR, Diary Rakotoson, Albin David.
“Ny fikambanan’ny poeta sy mpanoratra MALAgasy MAnoratra (Malama-FP) dia mikarakara hetsika ho fitsinjovana sy fanampiana ny mpiara-belona… Koa anaovana antso avo ianareo izay afaka manolotra sy manampy anay. Ianareo izay manana akanjo, kiraro, lamba, kojakoja, sns… Izay tsy ampiasaina intsony nefa mbola tsara dia angatahanay an-tanan-droa mba hangonina sy omena ireo Malagasy namantsika tsy mba afaka mifaly amin’izao ankatoky ny fety izao… Ity hetsika ity dia tsy natao hireharehana fa natao hanasoavana ny Malagasy havantsika. Ary manome toky izahay fa ho mangarahara sy ho tonga soa aman-tsara any amin’ireo tokony homena azy ny tolo-tanana avy aminareo”, hoy Rakotoarimanana Sandano­mena Aymar, filohan’ny MALAgasy MAnoratra (Ma­lama-FP).
Miezaka hahenika an’i Madagasikara ity fikambanana ity, ary efa misy izany ny ao Toamasina. Tsy hijanona eo anefa ny hetsika ataon’izy ireo fa misy hatrany asa hotanterahin-dry zareo, in­drindra amin’ny fanandrtana ny zavakanto malasy sy ny fanasoavana ny mpiara-belona.

Narilala

Partager sur: