“Misy Antony”… : mpanakanto 30 no hiaraka an-tsehatra amin’i Lalatiana sy i Rija

Tsy hitovy ny seho tamin’ny 2019… Izay aloha dia efa azo hitompoana teny, raha ny nahitana ny ampahany tamin’ny famerenana nataon’i La­latiana sy i Rija Ramanan­toanina, teny amin’ny Tanàna Zoari, omaly. Fotoana izay nitafan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety ihany koa, nanomezana ny andinindininy amin’ny seho izay hotontosaina ny alahady 4 desambra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tsy diso, etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina.
Fantatra fa mpanakanto maherin’ny 30 no indray hamolavola ny fampisehoana, ka hifarimbona eny an-tsehatra amin’io. “Misy antony”, araka ny lohatenin’ny fampisehoana izany, satria mikatsaka ny tsara sy ny kanto hatrany. “Izaho sy i Lalatiana, izay efa hatao hoe zoky ihany dia tena midera sy mankasitraka ny talentan’ireto mpitendry miaraka aminay ireto. Tena hoe androny izay, ka manome izay tena kanto indrindra ry zalahy… Tsy mbola niainanay io seho io ary inoana fa tsy mbola hitan’ny mpankafy ihany koa. Raha misy ny mampiavaka ny seho, dia noho ny zavatra atolotry ry zareo ireo”, hoy ny namba­ran’i Rija Ramanantoanina.
Vao ny famerenana tokoa dia efa nahatsinjovana izay fiavahan’ny rindra amin’ireo hira notsoingaina izay. Ny ankamaroan’ireo mpiendry tsy mbola teraka akory ta­min’ny nivoaka ry “Hay ve ka misy?”, kanefa tena hafakely ny hilalaovan-dry zareo ireo hira. Feno rahateo ny an-tsehatra: Ry Josia (amponga maroanaka), Hents (gitara beso), Joro (gitara) ary ry Tsanta mirahalahy (zavamaneno tsofina) , Njaka (piano) ary i Solofo (vata maroafitsoka) efa mpanaraka an’i La­latiana. Manampy azy ireo i Fy (orgue) sy i Manampy (violoncelle)… Manamafy ireo ekipa ireo ry zareo Meva Gospel, izay misahana ny feo lafika sy fanampiny.
“Toy ny fampisehoana telo no hitambatra ho iray amin’io. Misy Rija fotsiny, misy lalatiana fotsiny ary maromaro ny iarahanay an-tsehatra”, hoy i Rija Ramanantoanina. “Tamin’ny 2019 ny fiarahana farany, ary ny taona 2020 aho dia efa naniry indray ny hanao fampisehoana aty an-tanindrazana. Tsy tanteraka anefa izany raha tsy izao…”, hoy kosa i Lalatiana.
“Tsy fampisehoana farany akory fa hanakatonanay ny 15 taona nolalovana ity seho ity. Azo lazaina koa hoe hanombohana ny fanamarihana ny faha-15 taona nisian’ny mi’Ritsoka Production. Ireo mpanakanto ireo no nampanofinofy ahy ka nahateraka ny mi’Ritsoka taty aoriana. Rariny raha mitodika amin’izy ireo ny safidy amin’ity”, hoy kosa Randriamampianina Hery, talen’ny mi’Ritsoka Production.

Zo ny Aina

Partager sur: