Naiditra am-ponja: tovolahy nanolana zazavavikely efatra

Samy notanana am-ponja vonjimaika taorian’ny fiakarany fampanoavana ireo roa lahy voasaringotra tamina raharaha fanolanana ankizy tsy ampy taona tao Toa­ma­sina, ny zoma lasa teo. Raim-pianakaviana iray mpi­asan’ ny kaominina ambanivohitra iray ao an-toerana no voatondro ho na­nolana ny zana-badiny. Niala sasatra tao amin’izy ireo ity zaza ity. Nony niverina tany amin’ny fianakaviany, nitaraina ireto farany fa niharan’ny fanolanana ny zanak’izy ireo. Ni­ezaka niaro tena ilay rangahy. Nilaza izy fa nanao fialan-tsasatra io zaza io ary na­terina tany amin’ny renibeny tao Brickaville nony avy eo. Roa volana taorian’io, notorian’ny havam-badiny ity raim-pianakaviana ity fa na­nolana io zaza io, notanana vonjimaika ao Ambalata­vohangy.
Nanolana zanaka miaramila sy mpiandry

Ankoatra izany, naolan’ny tovolahy vao 18 taona koa ny zazavavikely efatra. Tao anatin’ny dimy andro, nasesin’ity tsy valahara ity nanamparana ny filan-dratsiny avokoa ireto zaza ireto. 5 taona ny zandriny indrindra raha toa ka 10 taona ny zokiny. Mpirahavavy ny roa amin’ireto zaza lasibatra ireto raha toa ka zanak’olona samy hafa ny roa. Samy monina ao amin’ny Cité Baisail an’ny miaramila ao amin’ny fokontany Analan­ki­ninina Hopitalibe izy ireo. Tsy mipetraka an-trano loatra ny ray aman-drenin’ireo zaza ireo noho izy ireo miaramila sy mpiandry ka mora foana ny hisarihan’ity tovolahy ity ireo zazavavy milalao eo an-tokotany. Nitaraina tamin’ny ray aman-dreniny, nanao fizahana tsirairay teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo zaza ka voamarina fa niharan’ny fanolanana tokoa izy ireo. Vokany, naiditra am-ponja vonjy maika avokoa ity lehilahy 18 taona ity sy ilay raim-pianakaviana 52 taona samy nanolan-jaza. Tsiahivina fa mpanabe iray koa no voatondro ho nahabevohoka ankizy tsy ampy taona, izay mbola tao anatin’ny faritra Atsinanana ihany, ny herinandro lasa teo.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: