Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo jiolahy roa lahy malaza amin’ny vaky trano eny Ambohimalaza. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay namany rehefa avy niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, ny alarobia teo.
Tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao an-toerana, ny talata teo, ireo raindahiny mpamaky trano eny Ambohimalaza sy ny manodidina. Voasambotra nandritra ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona izy ireto. Vokany, tratra ambodiomby ireo telo lahy mampitondra faisana ny fokonolona. Malaza amin’ny resaka vaky trano sy halatra kisoa ny roa lahy tamin’ireo voasambotra. Namany mpiray tendro aminy amin’ity asa ratsy ity kosa ny iray hafa. Tratra nandritra izany ny vola mitentina 100.000Ar, karazan-damba ary bisikileta mitentina 1 tapitrisa Ar. Eny amin’ny faritra Antakiady, fokontany Fiadanana sy ao atsimon’ Ambohidray no teorana famelezan’ireto voasambotra.
Henintsoa H.