Padeve-Fianarantsoa: nijery ny firosoan’ny asa ny masoivoho frantsay

Nitsidika ny fandrosoan’ny asa fanatsarana ny endriky ny tanànan’i Fianarantsoa, izay mahasarika vahiny sy mpizahatany ny masoivohon’i Frantsa miasa eto amintsika, i Arnaud Guillois, omaly. Na­notrona tany koa ny talen’ny Agence française de développement, Yves Guicuero sy ny talen’ny fampandrosoana ma­haritra ny tanàn-dehibe ao amin’ny minisiteran’ny Fana­jariana ny tany sy ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Nampiavaka ny asa ny fanatsarana ny lalana mandeha eny amin’ny tanàna tranainy (vieille ville) sy ny mpitondra eny amin’ny farihin’Anosy fototry ny fanavaozana. Ta­fiditra amin’ny fandaharanasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe (Padeve) natomboka ny taona 2011 niaraka amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Tanjona ny hanatsarana ny fiainan’ny mponina eny amin’ny tanàn-dehibe any Antsiranana, Ma­ha­janga, Antsirabe, Toamasi­na, Fianarantsoa ary Toliara. Mitentina 33 tapitrisa euros ny sora-bola natokana hanatanterahana azy avy amin’ny fanjakana frantsay miaraka amin’ny Agence française de développement (AFD). Mizara roa ny fandaharanasa Padeve : fa­navaozana fotodrafitrasa sa­mihafa sy fanadihadiana. Ho an’ny fanatanterahana ny asa ao Fianarantsoa ; nitondra tombontsoa ho an’ny olona 99 513 ny fandaharanasa. Asa mbola miandry ny fanatsarana ny tsena mpamongady ao Be­sorohitra sy ny tsena ao Anjo­ma ary fanorenana ivontoerana fiahiana ny lozam-pifamoivoizana ao Fianarantsoa.

Vonjy A.

Partager sur: