Rajoelina Andry: “Hidina ny vidin-jiro”

Notokanan’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ilay foibe famokarana herinaratra etsy Farahantsana, Mahitsy. Betsaka ny tombony ho azo amin’izany tetikasa izany, araka ny nambarany.

“Hanampy ny Jirama amin’ny famokarana herinaratra ity foibe ity ary ahafahana mamatsy ny tambajotra. Hanampy amin’ny fampidinana ny vidin’ny herinaratry ny Jirama koa”, hoy izy. Maherin’ny 150.000 ireo tokantrano hisitraka ny herinaratra amin’izany eo amin’ny tambajotra iraisan’Antana­na­rivo ka hivantana etsy Ano­sizato.
Nambaran’ny filoha fa ataon’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana ny fampiasana angovo azo havaozina azo avy amin’ny herin’ny ma­soandro sy ny rano. Efa maro ny tetikasa goavana an-dalam-panatanterahana amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany hatrany.

Tokantrano iray tapitrisa hahazo hazavana

Anisan’izany ny tetikasa famokarana herinaratra lehibe indrindra eto amin’ny firenena, atao any Sahofika. Eo koa ny “Centrale hydroélectrique” na ny Mandraka III ary eo an-dalam-pamaranana ihany koa ny dinika mba ahafahana ma­nomboka ny tetikasa Volobe. Hahatratra hatramin’ny 120 MGW ny tanjak’izany ary ny fametrahana ny ao Antetezam­bato, hamokatra herinaratra hatrany amin’ny 120 MGW. “Ho an’ny taranaka faramandimby izany. Mitsinjo lavitra sy tsy mitsoaka adidy ary mitady sy mitondra vahaolana hatrany isika. Mizotra mankany amin’ny fampandrosoana isika”, hoy ihany ny filoha. Mametraka vahaolana maharitra sy fotodrafitrasa manara-penitra, araka ny nambarany. Hampi­aka­tra ny tahan’ny famatsiana ny herinaratra izany ka ezahina hahatratra hatrany amin’ny 20% raha 15% izany izao. Ma­herin’ny iray tapitrisa koa ireo tokantrano hizarana “Kits so­laires” amin’ny taona ho avy hisitraka hazavana…
Tsy vita indray andro

Niaiky ny tenany fa kely ny famokarana herinaratra amin’ny orinasa Jirama ary lafo nefa hamidy mora ka tafiditra amin’ny veliranon’ny filoha ny fanomezana angovo ho an’ny rehetra. “Atao laharam-pahamehana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Mila faharetana sy fikirizana avy amin’ny tsirairay anefa izany fa tsy mora ny manatanteraka ny asa. Tsy vita iray andro fa taona maro ary dingana lava ny fanovana tiana hapetraka”, hoy izy. nanteriny fa mizotra mankany amin’ny fampiroboroboana ny angovo madio ny firenena ka ialana ny angovo mihodina amin’ny solika. Nohitsiny fa manana vina sy finiavana isika ka tsy maintsy tafita. “Tsy kabary fa asa avy hatrany ny antsika…”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Synèse R.

Partager sur: