Sakafon’ny mpianatry ny EPP: nanaovana andrana ny vary notovonantsoa

Ny sira sy ny koba natokana ho an’ny zaza ihany aloha hatreto no sakafo notovonantsoa azo jifain’ny rehetra iadiana amin’ny tsy fahampiana singa mpamelona ilain’ny vatana.

Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamana sy ny Ofi­sim-pirenena ny orinasa mpamokatra sira notovonana ioda sy fluor. Tokony ho sira efa notovonantsoa no amidy eny amin’ny tsena manerana ny Nosy. Anisan’ny andraikitry ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana rehefa manatanteraka asa any amin’ny distrika ivelan’ny Renivohitra no maka santionany amin’ny sira amidy eny an-tsena ary entina hataon’ny sampandraharaha misahana ny fanjarian-tsakafo fitiliana. “Hatreto, manaraka ny taha tokony ho izy avokoa ny ioda sy ny fluor ao anatin’ny santionany nalaina teny an-tsena”, hoy ny tomponandraikitry ny sampandraharahan’ny fanjarian-tsakafo, minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Andriamihamin­tsoa Raben­ja, omaly, teny Antaninarenina. Ankoatra ny sira, nanaovana andrana koa, tao anatin’ny he­rintaona ma­hery, ny fanovonantsoa ny vary. Natao sakafon’ny mpianatra eny amin’ny EPP io karazana vary io miaraka amin’ny Fandaharana­san’ ny Fi­renena mikambana mom­ba ny sakafo (Pam). Misy sary fa­mantarana ny vokatra notovonantsoa amidy eny an-tsena ka tokony hijery io famantarana io hatrany ny mpanjifa tsy ho voafitaka.

Tsy lafo ny sakafo fanovonantsoa

Tsy mifanalavitra loatra amin’ny vidin’ny vokatra tsotra ilay notovonantsoa. “5% ny sandan’ny tombony satria mbola hafarana avy any ivelany ilay singa hotovonana amin’ilay sakafo”, hoy ny tomponandraikitry ny fandaharana­san’ny Gret, Razakan­drainy Andry.
Nivory mandritra ny roa andro ny Vovonam-pirenena ho an’ny fanovonantsoa ny sakafo (ANFA) eto Antanana­rivo, nanomboka omaly. Hi­voaka aorian’ny fihaonana ny paikadim-pirenena ho an’ny fanovonantsoa ny sakafo ho an’ny taona 2022-2025. Re­hefa vita ny paikady izay ha­paritaka eny anivon’ny mpisehatra rehetra dia miandry ny drafitrasa hosahanin’ny mpikambana rehetra. Akora dimy tena fampiasan’ny isan-tokantrano no azo tovonantsoa: vary, menaka, sira, siramany ary ny koba fa ny reo ihany aloha no nirosoana ny fanovonantsoa azy eto Madagasika­ra: sira sy ny koba ho an’ny zaza iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Vonjy A.

Partager sur: