Namoaka fanambarana, tao amin’ny pejy ofisialiny, tao amin’ny tambajotran-tserasera «facebook», ny tomponandraikitry ny hetsika “Madagascourt Film Festival”, ny alakamisy 1 desambra 2022. Votoatin’ny fanambarana ny fandrosoana ny lanonam-pamaranana ny Sabotsy 3 desambra 2022, ao amin’ny “Club 73” Mahajanga, raha tokony ny Alahady no hanaovana izany. Antony manokana izay tsy miankina amin’ny mpikarakara. Ny fankalazana ny “Madagascourt Film Festival” andiany faha13, izay mitohy any Mahajanga nanomboka ny Talata 29 novambra 2022. “Tanjona ny hanakakaizana tsikelikely ny vahoaka, ho fametrahana ny horonantsary ao am-po sy ao an-tsain’ny olona” hoy I Laza, tompon’andraikitry ny “Madagascourt Film Festival”.
Maro ny hetsika notanterahina tao amin’ny tanànan’i Mahajanga. Isan’ny tena nahaliana ny maro ny atrikasa “Beat box”, niarahana tamin’I Do, mpanao “Beat box” fanta-daza. Nisy ny fampianarana sy fizarana traikefa ary fifampizarana tao anatin’izany. Ankoatra izay, nahasarika mpandray anjara maro ihany koa ny atrikasa “Kino”. Ity atrikasa ity izay natokan’ny mpikarakara ho an’izay manana tetikasa ka vonona ny hanatontosa azy. Omena ny fitaovana rehetra ilainy amin’ny fanatontosana ny horonantsariny ny mpandray anjara, ary iarahan’ny rehetra mijery ny vokatra avy eo. Nisy anefa ny “Classes Maitre” nofoanana nohon’ny tsy fisian’ny mpandray anjara nisoratra anarana. Sahala amin’ny isan-taona, misy foana ny fifaninana, teo ihany koa ny fampisehoana horonantsary ankalamanjana.
Lin (Mpianatra asa)