Mbola tsy milamina? Na tsy vita ho azy amin’izao ny fahatapahana karaman’ireo mpirakidraharaha 56… “Tena ialako tsiny, tsy napetraka hamaha olana ny minisitry ny Fitsarana fa natao hanery sy hamoritra”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM), Randriamaharo Alain Michel, teny Antsahamanitra, afakomaly, momba izany.
Raha mitaraina ny ankizy hoe mba hampitomboana 20 Ar ny tambin-kanina, ny 20 Ar eny an-tanany aza no nalaina ary andatsana azy amin’izao fotoana izao. Amin-dry zareo efa famonoana olona izany fikitihana karama, ary tsy manaraka ny antanan-tohatra tokony ho nandehanana ny fanapahana karama natao.
Mpiasa an-trano no fanoharan’ny minisitry ny Fitsarana ny mpirakidraharaha fitsarana. Mazava ny tenin’ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCD DED) fa tsy mpiasa an-trano na ny mpitsara, na ny mpandraharaha fonja, na ny mpirakidraharaha.
Tsy nisy mihitsy ny fanelanelanana nataon’ny minisitry ny Fitsarana hatramin’izay ka hatramin’izao mba nitondra vahaolana tamin’ny fitokonan’ny mpirakidrahraha. Isaky ny misokatra ny vavany dia mandrangaranga sazy sy fahefana.
“Mazava be ny teninay fa fanamparam-pahefana sy antsojay ary halako bika tsy tiako tarehy no nataon’ny minisitry ny Fitsarana”, hoy ny filohany SGM. Isaorany ny HCD DED namoaka ny fanambarana tamin’ny fihainoana ny fitarainan’ny mpirakidraharaha. Miandry izay ho tohin’ny raharaha ry zareo.
R. Nd.