Natao entina hampitomboana ny vokatra ara- pambolena, mifandray akaiky amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ny Tetikasa ara-pambolena maharitra hametrahana tontolo mirindra (Padap). Mitantana azy ny minisiteran’ ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), fa manana andraikitra feno koa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny ao amin’ny Rano, fidiovana sy fahadiovana (MEAH).
Maharitra dimy taona, ny andiany voalohany amin’ny tetikasa Padap, nanomboka ny taona 2018 ary hifarana amin’ny taona 2023. Napetraka ny Drafi- pampandrosoana sy fitantanana ny tany maharitra (PAGDP), ho fitaovana entina hanatrana ny tanjona. Toerana dimy no voakasiky ny tetikasa, ny manamorona ny lalan’ Iazafo sy Soanierana Ivongo (Analanjirofo), ny lemak’i Marovoay (Boeny), Bealanana (Sofia), sns.
Tanjona ao anatin’ny dingana voalohany ny Padap, ny fanomanana ny fampiasana ny tany sy ny loharanon-karena, mba hampihodina ny hetsika ara-toekarena, ao anatin’ny fitantanana maharitra ny tontolo iainana. Omena lanja sy vahana ny mponina sy ny mpamokatra eny ifotony. Isan’ny vokatra lehibe amin’izany ny ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, nefa ahafahan’ny mponina eny ifotony mamokatra sady mitsinjo ny tontolo iainana.
Njaka A.