Toamasina : mpanao gazety fito lasibatry ny jiolahy

Niloa-bava ny farany, niantso ny tomponandraikitra sy ireo mponina ao Toa­masina hifarimbona amin’ny ady amin’ny asan-dahalo ny fi­kam­banan’ny mpanao ga­zety ao an-toerana (AJT), ny faran’ny herinandro teo. Nandri­tra ny taona 2022, mpanao gazety fito no indray lasibatry ny jiolahy tamin’ny fomba samihafa. Nisy ireo mpanao gazety very fitaovam-piasana sy orinasan-tserasera no­vakin’ ireo tsy mataho-tody. Saika natrehin’ny olona ny fahavoazan’ny telo tamin’ireo lasibatra, saingy tsy afa-manao inona noho ny tahotra ireo manodidina. “Niova ary very tanteraka ny Soa­toavina maha Malaga­sy”, hoy ny filohan’ny fi­kamba­nan’ny mpanao gazety Toa­masina, i Sa­botsy Aimé José. Nanao antso avo ho an’ireo mahatsapa tena ho tomponandraikitra hifanome tanana manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy ao an-toerana, araka izany, ireto avy eo anivon’ny AJT ireto. Tsiahivina fa vao telo heri­nandro lasa no nisy mpanao gazety norobain’ny jiolahy niaraka tamin’ny vady aman-janany.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: