Nanomboka, omaly, 1 hatramin’ny asabotsy 3 desambra 2022 izao ny Tsenabe ara-toekarena eto Toamasina, atao etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena. Lohahevitra noraisina ny hoe : « tohanantsika ny fandraharahana ao anatin’ny fifanomezan-tanana, hahazoana vokatra hampandrosoana ny faritra ».
Miisa 250 ny tranoheva ho an’ny mpandray anjara, ahitana ny orinasa vaventy sy salantsalany, madinika. Eo koa ny tanora vao misondrotra misehatra amin’ny fandraharahana.
Maro ny seha-pihariana hita mandritra ity tsenabe ity, ny lafiny famokarana, ny vokatra indostrialy, ny ara-pambolena sy fiompiana, ny servisy, sns. Nilaza ny governora Atsinanana, fa miisa 400 ny tranoheva, novinavinaina, saingy tsy tonga ny faritra hafa, afa-tsy ny avy any Itasy ihany.
Ho raisin’Ambatovy an-tanana ny fanofanana
Anisan’ireo mpandray anjara vaventy sady manohana ity tsenabe ara-toekarena eto Toamasina ity, ny orinasa Ambatovy, ny Spat sy ny SMMC ao amin’ny seranan’i Toamasina. Nilaza ny tomponandraikitry ny Ambatovy, fa mifanindry an-dalana amin’ny faha-10 taona namokaran’ny orinasa ity tsenabe ara-toekarena ity. Fantatra fa hotohanan’Ambatovy, ny lafiny teknika sy fampitaovana ny tanora nahavita fiofanana amin’ny fandraharahana ara-toekarena, ny taozavatra, ny fizahantany, ny fambolena sy ny fiompiana eto Toamasina.
Nanentana ny tanora ny talem-paritry ny fanabeazam- pirenena, ny hitsidihan’ny mpianatra ity tsenabe ity.
Nandritra ny fotoam-panokafana, notolorana karazam-pitaovana hampiasain’ny haino aman-jery ny mpanao gazety amin’ny radio eto Toamasina, hanatsaran’izy ireo ny kalitaon’ny asany.
Sajo sy Njaka A.