Manana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny olona manana fahasembanana. “Fiaraha-mientana ho amina tontolo mahomby: ireo olona manana fahasembanana miara-tompon’antoka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara” ny lohahevitry ny fankalazana noraisin’ny minisiteran’ny Mponina amin’ity andro maneran-tany ho an’ny olona manana fahasembanana, hatao ny 3 desambra 2022, any Soavinandrina Itasy ity.
“Zava-dehibe fanajana ny zon’ny olona manana fahasembanana amin’ny fandraisana anjara sy fizakan-tena. Ny firotsahana mavitrika amin’ny lafi-piainana rehetra no fandraisana anjara amin’ny maha olom-pirenena”, hoy ny Tamba-jotra Malagasy ho an’ny Fahasembanana na RMH. Manoloana ny lohahevitra, nanambara ny tompon’andraikitry ny RMH fa mbola sarotra ho azy ireo ny hitondra fampandrosoana raha manilika azy ireo ankolaka ny zava-misy eto an-toerana sy ny tsy fananan’ny fanjakana politika mazava manoloana izany. Tokony hoesorina ny sakantsakana ara-batana, ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina manelingelina ny olona manana fahasembanana.
Raha vao nankatoavin’i Madagasikara ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana (lalàna 2014-031 ny 12 jona 2015) dia nitaky ny fampiharana izany ny RMH. Hampiroboroboana, hiarovana sy hampanjariana ny fisitrahan’ny olona manana fahasembanana tsy ankanavaka, ny zon’olombelona sy ny fahalalahana fototra rehetra, ary ny hasina maha olona azy ireo no tanjona tamin’ny fanekena fifanarahana.
Lin (Mpianatra asa)