Tsy manaiky karazana tsindry sy ny ramatahora. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), manoloana ireo mpanao gazety miisa roa tafiditra amin’ny raharaham-pitsarana. Notsiahivin’ny fanambarana ny lalàna momba ny haino vaky jery, maneho fa miaro ny mpanao gazety amin’ ireo fanitsakitsahana sy fanararaotana mahazo azy ireo eo am-panatanterahana ny asany, manampy ny mpanao gazety manoloana ny fahefana ara-panjakana sy/na ara-pitsarana ny OJM. “Manara-maso akaiky ny raharaham-pitsarana momba ireo mpanao gazety iray any Alaotra Mangoro sy any Menabe ary mandray ny andraikitra manandrify izany izahay”, hoy ny holafitra. Nanterin’ny OJM fa tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana izy ireo.
Mba ho mpanao gazety matihanina
Miantso ho amin’ny fitsarana marina, tsy mitanila ary mampahatsiahy fa manameloka ireo mety ho fanohintohinana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, indrindra amin’ny asa fanaovan-gazety manatsinkafona « Journalisme d’investigation » koa ny fanambarana. Mampahatsiahy ny OJM fa manohitra ny tsindry na herisetra atao amin’ny mpanao gazety eo amin’ny fanatanterahana ny asany. Notsiahivin’izy ireo koa fa manana adidy sy andraikitra voafaritry ny lalàna ny mpanao gazety. “Aoka hanaja izany toy ny anakandriamaso eo am-panatanterahana ny asantsika, ho amin’ny fanatrarana ny vina : Mpanao gazety matihanina, miray hina ho amin’ ny fampandrosoana”, hoy ny fanambarana.
Synèse R.