Fitsaram-bahoaka: mpangalatra roa lahy maty voadaroka

Naratra mafy vokatry ny daroky ny fokonolona, maty tsy tra-drano ireo mpangalatra roa lahy tra-tehaka tao Ambo­hi­bary, kaominina Ambodi­rina, distrikan’Antanifotsy, omaly maraina tamin’ny 02 ora. Tsy nanampo ny fisian’ny mpiambina, raikitra ny sakoroka teo amin’ireo mpanga­latra sy ireo tompon’entana nangalarina. Nentin’ireo olon-dratsy tamin’ izany ny kisoa, vorono ary hatramin’ny dokotra. Tsy nilavo lefona anefa ireo lasibatra fa nanara-dia ireo mpangalatra nandritra io alina io. Kinanjo, voasambotra ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nilefitra intsony ireo mpanenjika fa nidaroka
sy nanampatra ny hatezerany. Vokany, naratra mafy ireo roa lahy, vaky hatramin’ny lohany. Tratra andro mazava, efa tsy nisy aina intsony ireto farany.
Ankoatra ity tokantrano no­tafihin’ireto mpangalatra ireto ity, efa nanao ny asa ratsiny tao amin’ny fokontany Morarano, anatin’io kaominina Ambodi­rina io ihany ireto olon-dratsy ireto. Nataon’ny mpitsabo niaraka nidina ifo­tony tamin’ny zandary ny fizahana ny razana. Natolotra ny fokonolona izany ho karakaraina satria tsy mbola fantatra ny havany. Karohina kosa ireo namany hafa tafapori­tsaka nandritra ny fifanenje­hana tamin’ny fotoana nitrangan’ny halatra.

Tsiferana R.

Partager sur: