Tsy nandainga izy sy ny mpikarakara… Maro ireo tsy nino, saingy efa eto Madagasikara kosa i Grand P amin’izao. Mikasika izay hataony kosa, ny mponin’i Sambava no ho tsara vintana hahita izany.
Tsy honohono fa tonga eto tokoa i Grand P! Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly antoandro, ity mpanakanto avy any Guinée ity. Maro ireo tonga manokana nijery ny fahatongavan’i Grand P. Ny ankamaroany koa anefa nanantena hahita an’i Eudoxie, ilay vadin’ity mpanakanto ity… “Any an-trano” izy, hoy ny navalin’i Grand P raha nanontaniana. Tsy dia be resaka loatra rahateo izy.
“Niainga tany Guinée izahay, nandalo tao Ethiopie ary hijanona eto Antananarivo, anio. Rahampitso kosa no hanainga ho any Sambava hanao ny fampisehoana, ny alahady. Mieritreritra ny hiverina kely eto aorian’ izay”, hoy kosa ny fanampim-panazavana avy amin’ny mpikarakara an’i Grand P.
Volana vitsivitsy lasa tokoa izay no nipariahan’ny vaovao fa ho avy eto Madagasikara i Grand P. Handray anjara amin’ny hetsika” Waka Waka Festival’, izay efa nanomboka omaly ao Sambava izy. Niparitaka vetivety tokoa ny vaovao, satria efa nalaza fotoana elaela tamin’ny tambajotran-tserasera ity mpanakanto ity. Natao hitadiavam-bola mba hananganana sekoly ho an’ireo ankizy any amina fokontany ambanivohitra iray ao Sambava ny hetsika.
“Kely be fitiavana…”
Moussa, Sandiana Kaba no tena anaran’i Grand P. avy amin’ny hoe “Grand père” no nakany an’io solon’anarana io. Eny, tsy dia ilay lafiny maha mpanakanto azy loatra no tena nampalaza an’i Grand P , fa ilay lafiny “mampihomehy” amin’izay hataony sy zarainy, ka nahamaro ny mpanaraka ny mombamomba azy anatin’ny tambajotran-tserasera. Tratran’ilay aretina tsy fahita firy antsina hoe “progéria” izy no nahatonga azy nanana vatana hafa, izay nizakany ny esoeso sy ny hanihany noho izay izy mitarehin-jaza izay. Nivadika ho zezika nampiroborobo ny asany anefa izany taty aoriana, satria dia lasa nalaza vetivety ary nahay nilalao ny lazany hivadika ho vola i Grand P. Ny fanentanana nandritra ny “Can 2019” no nampiaka-daza azy ka lasa nantsoina hanao dokambarotra, fanentanana isan-karazany, sns, izy taorian’izay.
Ao ambadik’izay endika ivelany asehony izay anefa, olon’ny fo tokoa i Grand P. Efa aman-taonany izy no nanangana fikambanana manao asa soa ka manokana vola ho fanampiana ireo ankizy manana fahasembanana na aretina toa azy. ‘Kely be fitiavana”, hoy ireo mpanao gazety any Guinée rehefa miresaka momba azy. Noho io izy tia manampy ny mpiara-belona io no antony voalohany. Eo koa anefa ny fitiavany an’i Eudoxie, tantara anisan’ny narahin’ny olona maro maneran-tany!
Zo ny Aina