Hanohizan’ny Pam ny asany : nanome vola 2,3 tapitrisa euros i Frantsa

Nahazo sora-bola 2,3 tapitrisa euros avy amin’ny fanjakana frantsay ny Fan­daharanasan’ny Firenena mi­kambana momba ny sakafo (Pam) hanatanerahana ny asa vonjy aina sy ny famatsiana ny sakafo an-tsekoly any Atsimon’i Madagasikara. Ity no famatsiana lehibe indrindra nataon’i Frantsa tao anatin’ny telo taona, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny Pam eto Madagasikara, i Pasqualina Di Sirio. Mila fanohizana ny asa satria efa nisy fivoarana ny fanjarian-tsakafo vokatry ny asa samihafa notanterahina. Tao anatin’ny telo taona, nitentina 4,5 tapitrisa euros ny fanampian’i Frantsa ny Pam.
Tao anatin’ny fandaharanasa Miaro, nahazo tohana 1,5 tapitrisa euros ny Pam ho fandraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery va­i­ka mandritra ny 1000 an­dron’ny zaza any Atsimo. Nisy ny fizarana sakafo manokana isam-bolana ho an’ny kilonga 22 676 (enim-bolana ka hatramin’ny 23 volana) sy vehivavy mitondra vohoka na mampinono 22 862. “Mbola tao anatin’ ny fandaharanasa ihany ny nahafahana nametraka fambolena tamin’ny velarana 2 800 mivadi-mandry. Amidy eo an-toerana na omena ny toeram-pisakafoana any an-dakilasy ny vokatra rehefa miakatra. Mbola vonona ny fanjakana frantsay hanohana ny asan’ny Pam any Atsi­mo”, hoy ny masoivoho fran­tsay, i Arnaud Guillois, nandritra ny fandalovany tany Atsimo nijery ny fandaharanasa.

Mbola sarotra ny fiahiana ara-tsakafo any Atsimo, ara­ka ny fanadihadiana farany momba ny fanasokajiana ny fiahiana ara-tsakafo (IPC), olona 2,2 tapitrisa no ahina ho sahirana ara-tsakafo na­no­m­boka ny volana novambra lasa teo, fotoanan’ny maitsoahitra.

Vonjy A.

Partager sur: