Hetsika SNEAH: sarihina hisehatra amin’ny rano ny tsy miankina

Tsy misitraka rano ny 68%-n’ny Malagasy! Atao etsy amin’ny Lapan’ny Kolon­tsaina sy ny fantanjahantena Mahamasina, nanomboka omaly hatramin’ny asabotsy
4 desambra 2022 ny andiany voalohany amin’ny Hetsika ho an’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana na « Salon de l’Eau, de l’assainissement et de l’hygiène » (Sneah). Mamo­lavola azy ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana (Meah), tohanan’ny Unicef, izay ahitana trano­heva 70. Fotoana ahafahan’ny mpisehatra mihaona mivan­tana, toy ny orinasa tsy miankina, ny mpitondra tetikasa, ny mpamatsy vola, sns.
Nilaza ny minisitra Ravo­katra Fidiniavo, omaly, fa natao ity hetsika ity entina hanatsarana ny paikady mikasika ny sehatry ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana. Fototry ny aina ny rano, misy rano eto Madagasikara, saingy tsy mitsinjara sy tsy voatan­tana araka ny tokony ho izy. Tsy mahazo rano fisotro ny 68%-n’ny Malagasy, na 14 tapitrisa. Tsy manana fotodrafitrasa sahaza amin’ny fanadiovana ny 19 tapitrisa ary tsy afaka midio araka ny tokony ho izy ny 20 tapitrisa. An­koa­tra izany, tsy manana rano, fahadiovana sy fidiovana ny 20%-n’ny toeram-piasana sy ny sekoly eto amintsika.

Mila 328 tapitrisa dolara

Manoloana ireo, nambaran’ ny minisitra fa manodidina ny 328 tapitrisa dolara no ilaina hanatsarana ity sehatra ity. Tanjona ny hampiakarana 40 hatramin’ny 60% ny olona misitraka rano fisotro madio. Ary hampiakarana ho 32 ha­tramin’ny 37% mahazo fotodrafitrasa amin’ny fahadiovana sy ny fidiovana.
Manampy izany, nanamafy ny depiote Razafitsiandraofa Brunelle, nisolo tena ny filohan’ny Antanimierampi­re­nena, fa vonona izy ireo hiroso amin’ny fanovana ny sata mi­fehy ny rano.
Hanatrarana ny tanjona, mahatratra 328 tapitrisa do­lara ny tetibola ilaina. Izay no antony nikarakarana ny he­tsika Snaeh, hampifandraisana ny mpisehatra rehetra miaraka amin’ny mpiara-miombon’ antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF).
Misy koa ny famelabelaran-kevitra miompana amin’ ny sehatry ny rano, ny fahadiovana sy ny fidiovana.

Njaka A.

Partager sur: