Ikalamavony : mpitrandraka vato maty nihotsahan’ny tany

Telo herinandro nisian’ny fihotsahana niteraka fahafate­san’olona tao Ambatofinan­drahana, mpitrandraka vato iray indray no namoy ny ainy tao Ika­lamavony, ny faran’ny volana teo.
Nifampitadiavan’ireo na­many ny mpitrandraka vato iray, namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny tany tao amin’ny kariera iray anatin’i Bevahon­drano, fokontany Mananata­nana, kaominina Ikalamavony, ny 30 novambra teo. Tamin’ny fito ora hariva, naheno fianje­rana goavana ireo mponina teo amin’ny manodidina. Taitra, nifarimbona nanatona ny toe­rana nahenoana io feo io ireo olona. Kinanjo, efa nigorodana avokoa ny tany tao anatin’ny kariera. Tovolahy iray 20 taona anefa ny mbola tavela tao ana­tin’izany. Nirefy 30 metatra, nanao izay ho afany nanalana ny tany nihotsaka ireo mpitrandraka. Ora iray taorian’io, hita ilay tovolahy mpitrandraka naman’ izy ireo, saingy tsy nisy aina in­tsony. Natolotra ny fianakaviany ity namoy ny ainy ity. Tsiahi­vina fa vao herinandro vitsy lasa koa no nisy roa lahy maty nihontsahan’ny tany tao anatin’ny kaominina Ambatofinandrahana.

Tsiferana R.

Partager sur: