Nitsidika ny fizotran’ny asa teny amin’ny kaominina Soalandy, Antananarivo Atsimondrano, omaly ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard. Misy ny fanamboarana sy fanatsarana ny tanàna tanterahina eny an-toerana. Anisan’izany ny toerana fialamboly natao ho an’ny sokajin’olona rehetra tsy ankanavaka, ahitana zaridaina sy toeram-pitsangantsaganana ho an’ ny ankizy sy ny ray aman-dreny, toerana fanaovana lanonana sy fampisehoana samihafa toy ny hira gasy …., kianja fanaovana fanatanjahantena samihafa azo andraisana fifaninana sy hetsika lehibe…
Tanjona ny hananana tanàna mamiratra sy maha te honina ary mahasarika ny manodidina. Misy ny fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka sy ny tanora hahafahany mampandroso ny fiainany.
Tsiahivina fa nampanantena ny mponina tao amin’ity kaominina ity ny tomponandraiki-panjakana, roa volana lasa izay, nandritra ny lalao fifaninanana notanterahina tao an-toerana. Efa mandeha ny asa ankehitriny ary hanova tanteraka ny endriky ny tanàna izany. Heverina hampitombo ny toekaren’ny mponina sy ny manodidina ihany koa ny fanatsarana entina eny an-toerana ary natao hifanaraka amin’ny filan’ny mponina rahateo izany.
Tetsy andaniny, harenina ihany koa ny lapan’ny tanora, izay tsy lavitra ireo fotodrafitrasa amboarina ireo mba ho lasa moderina sy ho mendrika ny tanora ao an-tanàna. Nilaza ny Sekreteram-panjakana fa tsy hisy ho diso anjara ny faritra rehetra amin’ny fametrahana ny “modernisation” ka anisan’izany ny kaominina ambanivotra toy izao an’ny kaominina Soalandy izao.
Tatiana A