`Naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ny jiolahy azy ny mpivaro-mandeha iray tao amin’ ny fokontany Anivorano, kaominina ambanivohitra Zafindrafady, distrikan’i Vohipeno ny 01 desambra teo. Teny an-dalana, narahin’ireo olon-dratsy ity raim-pianakaviana ity. Norobainy tamin’izany ny vola. Tsy vitan’io, nikasa hiaro tena ilay mpivarotra ka notifirin’ireo jiolahy. Voa tamin’izany, ny felatanany sy ny hatony. Nirifatra nandositra ireo tsy mataho-tody vantany azo ny vola. Nahare ny zava-nisy, nijery ny zava-nisy ny tomponandraikitra ao an-toerana sy ny zandary.
Nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly ilay rangahy naratra mafy. Nizotra nianantsimo ireo jiolahy ka an-dalam-pikarohana azy ireo ny mpitandro filaminana. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana kosa, nametrahana zandary telo lahy ao amin’ny fokontany tsy lavitra nitrangan’ny loza.
Tsiferana R.