Tra-tehaky ny polisim-pirenena, afakomaly ilay tambajotra mpivarotra rongony mahery vaika “méthamphetamine” eto an-drenivohitra. Efa nigadra ny iray tamin’ireo vehivavy mpivarotra izany.
Tra-tehaky ny polisy indray ilay vehivavy mpivarotra rongony mahery vaika sy ireo ekipany eto an-drenivohitra. Voasambotra tamina trano iray tetsy Tsiazotafo, ny alakamisy teo, ireto jiolahy ireto. Sarona nandritra izay koa ny rongony mahery vaika “méthamphétamine” sy ireo fitaovana miaraka aminy.
Nidina nitady sy nisambotra ity tambajotra ity avy hatrany ny polisy vantany vao nahafantatra ny toerana nisy azy ireo. Natao ny vela-pandrika rehetra. Araka izany, lehilahy iray no hita nivoaka ilay trano voalaza. Nahitana io rongony mahery vaika io teny aminy niaraka tamina fitaovana fihinana azy. Nilaza izy fa novidiany tao amin’ilay trano eo Tsiazotafo io rongony io. Araka izany, tratra tao an-toerana ireo vahivavy nivarotra io “méthamphétamine” io. Hita tamin’izay koa ireo fonosana 20 milanja 8.800g. Tao ihany koa ireo fitaovana fampiasa amin’izany toy ny “tuyau” miisa telo, “briquette 10”, “bang” telo isa ary mizana elektronika iray.
Efa nisazy
Ankoatra ireo, nahatrarana “chicha” iray sy hety fanapahana izany ary “tube” telo isa koa tao amin’ireo vehivavy voasambotra. Fantatra tamin’izay fa mpivarotra ireo zava-mahadomelina ireo ny iray amin’izy roa vavy. Nandritra ny fanadihadiana, nilaza ireto voasambotra fa eto an-drenivohitra ihany no nividianany izany ka 10 g no efa azony. “150.000 Ar ny andraisany ny grama iray”, hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena. Voalaza tamin’izay koa fa efa nigadra tamin’ny varotra zava-mahadomelina mahery vaika io vehivavy mpivarotra io, ny taona 2021. Nivoaka ny fonja ny volana aogositra ny taona io ihany izy ka izao mamerin-keloka izao indray. Ilay lehilahy iray kosa mpifoka, raha irakiraka manatitra any amin’ireo mpividy kosa ilay vehivavy iray naman’izy ireo.
Marihina fa 23 sy 35 taona ireo roa vavy raha 36 taona kosa ilay lehilahy.
Henintsoa Hani