Tsy mbola resy ny valanaretina Covid-19 nefa nihavitsy ny olona manao vaksiny sady tsy manaja ny fepetra sakana intsony ny daholobe. Efa niverina namono olona koa ny Coronavirus, ny herinandro lasa teo.
119 ny orinasa manana mpiasa mihoatra ny 300 naneho fahavononana hanao vaksiny sy handresy lahatra ny mpiasany hanao vaksiny miaro amin’ny Covid-19, ny taona 2021 nandritra ny ady sisika natao teny Anosy niaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpanohana samihafa. Hatreto, fito (Orange Madagascar, Epsilon…) ny orinasa nahavita nanao vaksiny ny 80%-n’ny mpiasany ary ny iray, orinasa Sambavanille nahatratra 100% mihitsy. Notolorana marika famantarana ny fahazoana izany “Label sanitaire vaccin Covid-19 entreprise» izy ireo, omaly, teny Antanimena. Tanjona napetraka, ny volana mey 2021 ny hahatratra mpiasa 50 000 vita vaksiny eo amin’ny sehatra tsy miankina. Taorian’ny toeram-piasana manana mpiasa 300 no ho mihoatra, hirosoana indray ny fankasitrahana ireo manana mpiasa latsaky ny 300 ka naharay ny fatram-baksiny feno miaro amin’ny Covid-19.
Paikady natao hiarovana ny toekarena ny fiarovana ny mpiasa amin’ny vaksiny satria nampitondra faisana ny orinasa ny vokatry ny fiparitahan’ ny valanaretina sy ny fampiasana ampaham-bola goavana hiarovana ny mpiasa ahafahan’ny toeram-piasana manohy ny asany andavanandro, hoy ny solontenan’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara.
Tsy mbola voaaro ny Malagasy
Tsy mbola voaaro amin’ny Covid-19 ny Malagasy satria mbola 6,56% amin’ny olona feno 18 taona no ho miakatra ihany no nahavita ny fetra feno fiarovana; araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mpamatsy vola sy mpiray ombon’antoka amin’ny minisitean’ny Fahasalamam-bahoaka. Nanokana vola 16 tapitrisa dolara sy vaksiny ahitana fatra 2 tapitrisa ny Amerikanina hanohanana ny fanaovam-baksiny sy ny ady amin’ny Covid-19.
Nanomboka ny 10 mey 2021 ka hatramin’ny 30 novambra lasa teo, olona 1 906 763 no nandray ny fatra feno raha 2 396 289 no nahavita vaksiny, hoy ny talen’ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tao anatin’ny roa volana nisantarana ny vaksiny miaro amin’ny Covid-19, nahatratra 20 000 isan’andro ny olona tonga manao vaksiny, amin’izao fotoana izao 5 000 ka hatramin’ny 7 000 no mbola manatona ny toerana fanaovam-baksiny manerena ny Nosy. Olona 2 tapitrisa amin’ny 14 tapitrisa napetraka ho tratrarina no vita vaksiny. Tsy tokony hampatahotra ny olona ny vaksiny satria 27 amin’ny fatra 100 000 natao ihany no nahitana tranga tsy nampoizina taorian’ny fanaovana vaksiny. Mbola miasa avokoa ny toerana fanaovam-baksiny mahazatra rehetra.
Vonjy A.