Fiandrasan-draharaha (service minimum) izao ny ataon’ny QMM any Taolagnaro. Fepetra noraisina ho fiarovana ny ain’ireo mpiasa sy mpiara-miombon’antoka aminy ao amin’ny toeram-pitrandrahana any Mandena.
Tsy maintsy noraisina izany fepetra fiandrasan-draharaha izany taorian’ny fametrahan’ny andian’olona sakana amin’ny làlana mihazo ny toeram-pitrandrahan’ny QMM any Mandena ka tsy ahafahana miasa am-pilaminana. Araka izany, voafetra ho ireo asa laharam-pahamehana ihany no atao, anisan’izany ny famokarana herinaratra ho an’ ny tanànan’i Taolagnaro, raha mbola azo antoka ny hanatanterahana azy am-pilaminana.
Hatramin’ny volana jona lasa teo, tsy nitsahatra niara-niasa tamin’ireo manam-pahefana avy amin’ny fitondrana foibe sy avy amin’ny Faritra Anosy, solontenan’ny mponina ary ireo raiamandreny ara-drazana ny QMM. Izany no natao dia mba handinihana ireo fitarainana nalefan’ny mponina any an-toerana ao anatin’ny fanajana ny fepetra sy lalàna.
Ankehitriny ny orinasa mbola maneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny mponina sy manam-pahefana any ifotony hikatsahana vahaolana tsy mitanila, eken’ny rehetra sy maharitra ho famaliana ireo fitarainana napetraka. Ao anatin’ny fifanajana tanteraka sy fifampiresahana no hanaovana izany.
Mahatsapa ny QMM ny mety ho fiantraikan’ity fepetra noraisiny ity. Tsy amin’ny asa fitrandrahana sy ireo mpiara-miasa aminy ihany, fa indrindra amin’ireo mponina any an-toerana sy ireo mpandraharaha, ary ny toekarena any Anosy amin’ny ankapobeny. Mampiasa olona maherin’ny 2 000 ny QMM (Malagasy ny 98%). Anisan’ireo orinasa lehibe miorim-paka ao amin’ny faritra ary mandray anjara amin’ny fandoavan-ketra sy tamberim-bidy amin’ ireo kaominina telo manodidina ny toeram-pitrandrahana.
Fifampiresahana sy fanajana lalàna
Manaiky ny QMM fa ny fifampiresahana ao anatin’ny mangaraharaha sy fanajana lalàna hatrany, fifanajana eo amin’ ny andaniny sy ankilany no ahitana vahaolana maharitra. Ny andraikitra noraisina vita sonia tamin’ny 20 mey 2022, ohatra, ny fananganana komity, fandraisana fitarainana.
Efa nilamina ny onitra nomena ny mpanjono sy ireo mivelona any anaty ala. Efa nisy rahateo ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana sy ny QMM momba io tany mampisy olana io. Misy ireo efa tena milamina fa ireo vitsy fa tsy betsaka, ilay hoe nipetraka sy nanajary ny tany, ka mangataka onitra. Ny tany anefa an’ ny fanjakana, araka ny lalàna any amin’ny fanjakana ny Qmm no mandoa hetra tany. Dia ireo ilay olona mametraka sakana.
Ndrina