Tsiperifery: hatsaraina ny fomba fambolena sy fitangosana azy

Anisan’ny harena voajanahary iray be mpitady any ivelany ny tsiperifery na ny dipoavradia misy rambony, tsy hita raha tsy eto Mada­ga­sikara, ka nanao fikarohana hanatsarana azy io ny Fofifa. Nampianatra ny fomba fambolena, indrindra ny fomba fitangosana azy, tsy hanimba ny voly sy tsy hanapahana vatan-kazo handadizany. Fomba taloha mantsy ny misintona fotsiny na miakatra ny vatan-kazo misy azy dia manapaka
Fikarohana natao ihany koa ny hanatsarana ny fomba handadizany, tsy hanimba ny vatan-kazo misy ny voan’ilay tsiperifery. Nanangana kao­perativa ny any Anjozorobe hitrandraka azy io ho fidiram-bolan’ny tantsaha. Misy fikarohana mbola eo an-dalana ataon’ny mpianatra mpikaroka. Arahina any am-potony ny fitombon’ireo nambolena, ary misy tontolo vao foronina (domestication) ho an’izany. Ireo Eoropeanina no mitady betsaka ny tsiperifery. Izy maina no tena fanondrana nefa atao izay hampiova ny lokony mena. Antenaina fa afaka dimy taona, hitombo izy io eto an-toerana, raha voa­haja tsara ny fepetra.
Maro no mbola sahanin’ ny Fofifa, Cirad, Oniversite Antananarivo momba ny ala sy ny harena ao aminy. Tsy afaka miasa ireny anefa ireo telo mpiara-miombon’antoka ireo, fa eo ny ONG sasany miasa ho fitandroana ireny faritra arovana ireny, manampy sy mitaiza ny olona hahay hiaro ny ala. Marihina fa misy efa hidiran’ny olona ireny faritra arovana misy biby sy harena voajanahary maro ireny. Miharatsy ny tontolo iainana amin’ny taona 2030, raha tsy misy fepetra raisina haingana.

Ndrina

Partager sur: