Nisy fivoarana tsara ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo vokatry ny rotsak’ orana tao anatin’ny andro maromaro nifanesy. Mbola avo roa na telo heny amin’ny fenitra farany ambony voalazan’ ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ihany ny fivangongoan’ny akora madinika mandoto ny rivotra iainana. “Antonony ny kalitaon’ny rivotra ho an’ny telo andro manaraka na eo aza ny toetr’andro manampy amin’ ny tsy hivangongoan’ny singa madinika”, hoy ny sampana misahana ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny rivotra.
Ho an’ny anio, hahazo oram-baratra mety arahina tafiotra sy havandra any Atsimo Andrefana, Melaky, Menabe, andrefan’ny afovoan-tany (Bongolava, Itasy). Hisy oram-baratra koa any avaratra andrefana sy any Vakinankaratra ary ny ilany Andrefan’i Matsiatra Ambony sy Amoron’i Mania ary any Sambirano. Ho an’ny maripana, 18 ka hatramin’ny 29 °C ny maripana eto Antananarivo. Hitohy ny orana rahampitso any Menabe, Atsimo Andrefana ary amin’ny ilany andrefan’ny afovoan-tany. Ny alarobia, mbola hahazo oram-baratra ihany i Melaky sy Meanbe ary manoddina an’i Sambirano, araka ny tomban’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, omaly.
Vonjy