Fampandrosoana iaraha-manana

Hatramin’izao, resabe etsy sy eroa hatrany ny amin’ny sosialim-bahoaka na ny fiainam-bahoaka ifotony: ahoana ihany, aiza… Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny karazana fanampina sy tosika. Na izany aza, tsy hita be ihany ho an’ny sasany tsy mety afa-po? Na tsy laharam-pahamehana, na tsy tena imasoana, na tsy zava-dehibe… Amin’izany, misy ny mihoa-bava na manao teny tsy tsaroana: ny lalana angaha azo hohanina, ny kianja manara-penitra angaha azo hohanina…

Samy manana izay zava-dehibe sy laharam-pahamehana aminy arakaraka izay misy azy sy iainany? Ao anatin’izany ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro efa ho lava, ny maitsoahitra… Misy ny maty mosary na tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ahoana tokoa raha misy ny maty mosary sy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, nefa ny fotodrafitrasa mijoro etsy sy eroa? Na hopitaly, na sekoly, na tsena, na kianja… Mila atao manara-penitra koa ny sakafo, fa tsy zara raha mihinana na tsy mahita arapaka.

Ady fiady izay? Na azo iadian-kevitra ny amin’izay tena zava-dehibe, maika, iaraha-mizaka, tsy azo ihodivirana… Ahoana ihany koa raha maty voky ny tena, nefa tsy zarizary ny tontolo manodidina sy iainana? Na akanjo eny an-koditra, na trano fonenana, na lalana andehanana, na sekoly ianarana… Ilaina ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo. Tsy misy distrika hadino amin’izany, tsy misy sehatra atao ambanin-javatra na ambin-javatra ihany koa. Mifameno fa tsy mifamono, sanatria.

Ho an’ny olona mandrakariva ny hoe fampandrosoana ny firenena: mitondra inona, mitondra mankaiza? Tena ho an’ny vahoaka amin’izay mahasoa sy mahatsara azy. Fivoaram-piainana miainga eo amin’ny tena na ny tsirairay aloha: ahazoana miatrika ny fiainana isan’andro mandavantaona, indrindra ahazoana mitrika ny hoe fampandrosoana. Izay matanjaka sy mijoro no afa-mandeha sy mandroso, izay mandroso no afa-kampandroso. Fampandrosoana iaraha-manana fa tsy samy manao izay saim-pantany?

Rafaly Nd.

Partager sur: