Miisa 200 ireo olona sahirana ara-pivelomana nisitraka sakafo masaka ny faran’ny herinandro teo. Hetsika nokarakarain’ny fikambanana manolo tanana natao tetsy amin’ ny Akany Fialofana Ambodin’ Isotry. Akany, hipetrahan’ireo olona tsy manan-kialofana sy mirenireny eto Antananarivo izy io, tantanan’ny Ministeran’ny mponina. Nozaraina «Riz cantonais» sy hena baolina izy ireo nandritra izany. Nahitana zaza latsaky ny dimy taona sy be antitra nisitraka izany. Anton’ny hetsika, ny fahatsapana fa maro ireo sahirana, indrindra ireo tsy manan-kialofana sy mirenireny ary mangataka hoy R/toa Nirina, tompon’andraikitry ny fikambanana manolo tanana. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny mponina, ny fikambanana ary olona tsara sitrapo iray any ivelany nahafahana nanao izao fanampiana ara-tsosialy izao. «Mandalo sy miserana ny fanampiana avy amin’ny olona sy ny fikambanana, ka tokony hiezaka hiasa na dia sahirana ara-pivelomana aza», hoy hatrany ny fanazavana. Mbola maro ny hetsika ara-tsosialy ataon’izy ireo mba hanampiana ireo olona tsapa fa tena sahirana eto amin’ny nosy.
Mino ( Mpianatra Asa)