Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny polisim-pirenena ao Mahajanga manoloana ny ady amin’ny asan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika. Jiolahy telo maty voatifitra raha azo sambo-belona ny naman’izy ireo.
Mpangalatra 10 mianadahy voasambotry ny polisy tao Mahajanga, ny asabotsy teo. Miisa telo kosa maty voatifitry ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonan’ny roa tonta. Tokony ho tamin’ny 02 ora maraina, tamin’io fotoana io, nanafika tokantrano iray tao amin’ny Mahavoky atsimo ireto andian-jiolahy ireto. Nahazo antso ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana. Mbola nanohy ny asa ratsiny tany amin’ ny fokontany Antsahavaky indray ry zalahy. Nifanehatra ireo jiolahy sy ny polisy ka tratra tao Amborovy, Poteau mainty, Ambalavola. Azon’ny polisy ny entana halatra sy ny fitaovana nampiasain’ireo olon-dratsy ary ody gasy samihafa. Lavo nandritra ny fifandonana ny jiolahy telo. Isan’ny nampitondra faisana ny mponina ao Mahajanga tao anatin’ny andro vitsivitsy ry zalahy tratra ireto. Ankoatra izay, mbola manana raharaha eny anivon’ny polisy ao Mahabibo momba ny fanafihana sy fandrobana tany amin’ ny fokontany Fiofio, ny 23 novambra teo. Mbola isan’ny voasambotry ny polisy avy ao Antanimasaja ihany koa ny jiolahy voalaza ho isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana miampy herisetra tao Antanimalandy, ny alin’ny 30 novambra teo.
Anokafana fanadihadiana avy hatrany ireto voasambotra ary hatolotra ny fampanoavana tsy ela.
Henintsoa H.