“Raha tonga amin’ny fanovana na fametrahana lalàna mifehy ny fitantanana sy ny fikarakarana ary fanajariana ny rano, vonona izahay eto anivon’ny Antenimierampirenena”, hoy ny depiote voafidy tany Ikongo tamin’ny anaran’ny IRD sady filoha lefitra, faritanin’i Fianarantsoa, eo anivon’ny Antenimierampirenena, Razafintsiandraofa Jean-Brunelle, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny hetsika momba ny rano, fanadiovana sy fidiovana, sehatra azo ampiasam-bola.
“Somary nahavarimbariana antsika Malagasy ny amin’ ny rano hatramin’izay, satria isika mieritreritra hoe manana be dia be. Fa rehefa misesisesy ny fahasarotana momba ny rano, izay isika vao manomboka mifoha sy mahatsapa hoe zava-dehibe tokony hotandrovina sy hokajiana ny rano”, hoy izy. Tokony hotantanina amin’ny fomba maharitra araka ny tokony ho izy koa ny rano. Tsy maintsy mila fandaminana sy fikarakarana izay fitantanana izay.
Izay ny mahatonga ny eo anivon’ny Antenimierampirenena maneho fahavononana sahady hoe: hirosoana sy hodinihina ary hanomezan-dry zareo toky sahady fa handray anjara mavitrika amin’ny ezaka rehetra atao izy ireo na inona na inona lalàna hapetraka, na inona na inona fifehezana hapetraka eto amin’ny firenena hitantanana izay rano izay mba hahazoana misitraka maharitra rano, ary amin’ny kalitao ara-dalàna ihany koa.
R. Nd.